Fahasalamana

Tsenan’ny Pavillon Analakely Niara-nanadio ny CUA sy ny mpivarotra


  • Sabotsy 12 Aogositra 2017

Antoky ny filaminan’ny tanàna ny fahadiovana, ka mitohy hatrany ny fanadiovana faobe eo anivon’ny Boriboritany Voalohany eto Antananarivo.

Ny tsenan’ny Pavillon Analakely sy ny manodidina indray no nanaovana ny fanentanana sy ny fanadiovana izay niarahana tamin’ny « Pompier », ny ekipan’ny BMH, ny ekipa teknikan’ny Boriboritany, ary ireo mpivarotra teny an-toerana omaly zoma 11 aogositra. Nampandraisina anjara manokana ireo mpivarotra mba ho tsapan’izy ireo ny fahasarotan’ny fanadiovana ny loto izay havelany rehefa avy mivarotra. Tsara ny manamarika, fa tafiditra ao anatin’ ny tetiandro fanadiovana ny tsena eo amin’ny Boriboritany Voalohany izao hetsika izao .Misy tsena 8 eo amin’ity Boriboritany ity, ary ny 6 amin’ireo no efa vita amin’izao dia ny tsena Petite Vitesse, Isotry, Andrianjaka, Ambohijatovo, Coum 67 ha ary  Analakely. Isaky ny 3 volana no ezahina asiana ny fanadiovana goavana toy izao eny amin’ireny tsena ireny mba ho tombotsoan’ny Be sy ny maro. Nambaran’ny Delegen’ny Boriboritany Voalohany Raharivelo Tiana Harilaza fa: «  anisan’ny fitaizana ny vahoaka izao hetsika ataon’ny Kaominina izao, izay santatra fotsiny ihany fa anjaran’ny tsirairay kosa no manohy izany satria samy tompon’andraikitra amin’ny fanadiovana sy ny fandaminana ny tanàna avokoa ny tsirairay ». Anisan’ny efa fiomanana amin’ny fiavian’ny fahavaratra ihany koa ny hetsika, hoy hatrany ity Delege ity mba ho fisorohana ny mety fiakaran’ny rano sy ny olana mety hateraky ny fahavaratra. Tsy hijanona hatreo ny hetsika sy ny fitaizana ny vahoaka, fa mbola hitohy hatrany  mandra-pahatonga saina ny tsirairay.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT