Fahasalamana

Tsenan’Anosibe Nakatona ary nodiovina tanteraka


  • Alarobia 11 Oktobra 2017

Nisy ny fanadiovana faobe nataon’ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) tao amin’ny tsenan’Anosibe, tsena lehibe eto Antananarivo renivohitrana hifaneraseran’ny mponina manerana an’I Madagasikara.

 

 Niara-nisalahy tamin’izany ny CUA  tamin’ny alalan’ny boriborintany faha-4 , ny BMH  birao misahana ny fahasalamàna eo anivon’ny kaominina, ny sampana mpamonjy voina ary ny  Fikambanan’ny delegen’ny mpivarotra , ny mpiambina ny  tsena : AFTAT , TAM, FSATA,…  Nanomboka tamin’ny 12 ora dia efa  nanidy tsena avokoa ny mpivarotra araka ny toromarika avy amin’ny  lehiben’ny tsena satria tsy maintsy atao ny tolak’andro ny fanondrahana ranom-panafody hamonoana ny bibikely  rehefa avy diovina sy tondrahan’ny mpamonjy voina.  Tonga tao an-toerana nijery ny fanadiovana ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanana Ramboasalamana Emilien. Natao ny hetsika  hiadiana amin’ny resaka pesta,  hoy izy  na dia mbola tsy nisy trangana  pesta aza  teto amin’ny tsenan’Anosibe, ka  aleo misoroka toy izay mitsabo , ary tsy hijanona eto fa hiitatra manerana ny  tsenan’ny boriborintany sy ny fokotany  manerana  an’Antananarivo renivohitra ny fanadiovana.  Manoloana izany indrindra, dia tsy handefitra intsony ny tananan’Antananarivo ho an’ireo izay mbola minia manao maloto eny rehetra ireny  fa hihatra ny sazy ho an’ireo  tsy manaja  ny fitsipiky ny fahadiovana  na  “code d’hygiène”. Araka  izany, hidina  eny  anivon’ny boriborintany ny “inspecteur d’hygiène”. Marihina moa fa tsy hoe rehefa misy ny pesta ihany  vao manao  fanadiovana faobe toy  izao   fa efa asa fanao isaky ny alahady izany.

Toky R       

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT