Fahasalamana

Tsaho momba ny vaksinina pesta Ho avy ny fisamborana…


  • Zoma 10 Novambra 2017

Nikorontana ny tanàna ! Izay no azo hamehezana ny zava-nisy teto Antananarivo omaly tontolo andro. Zary lasa resabe ny fielezan’ny feo amin’ny fisian’ny andian’olona mitonona ho mpiasan’ny minisiteran’ny fahasalamana, ary mitety sekoly manao vaksiny ny mpianatra miaraka amina mpitandro ny filaminana.

  Nambara fa torana ny mpianatra izay tratran’io tsindrona io. Teny Alakamisy Fenoarivo aza dia nisy mihitsy ny feo niely fa nisy maty. Vao maraina no nandrenesana io resaka io tany Analavory Ampefy, ka rava ny fianarana rehetra satria tsy manaiky ny hakana hafanana amin'ny ankizy ny ray aman-dreny sao lazaina fa voan'ny pesta ny zanany. Hatrany Arivonimamo no nikorapaka. Ny tambajotra “facebook” no tena isan’ny nanaparitaka ny tsaho. Tonga taty amin’ny manodidina ny renivohitra ary samy nilomay naka ny zanany tany an-tsekoly avokoa ny ray aman-dreny tamina faritra maro : Alakamisy Fenoarivo, Itaosy, Andranonahoatra, Isotry, Ankadimbahoaka, Soanierana, 67Ha, Antanimena, Manjakaray, Avaradoha, Nanisana, Analamahitsy, Mahazo, Ambohipo, Ambatomaro, Anosibe, Anosipatrana, Ivandry…. Ny teny amin’ny EPP Ambatomaro kosa dia nisy olona telo, vehivavy ny iray tonga tao amin’ny sekoly tokony ho tamin’ny 11 ora maraina. Nitondra fiara 4×4 mainty matroka fitaratra mitondra ny laharana 1461 F…. Voalaza fa saika hitsofoka tao amin’ny sekoly haka ny hafanan’ny mpianatra, raha ny fitantarana. Efa nisahotaka ny ray aman-dreny ka nandositra izy ireo. Novakian’ny ray aman-dreny kosa ny vavahadin’ny sekoly teny Avaradoha hahafahany maka ny zanany. Ny teny Ambatofilokana Andranonahoatra indray, dia samy nitsoaka nanavotra ny ainy ny mpianatra noho ity resaka ity ary nambara fa nisy mpitandro ny filaminana iray kamio mihitsy miaraka amin’ireo mpanindrona ….

Ho avy ny fisamborana

Namoaka fanambarana mazava ny minisiteran’ny fahasalamana fa tsy misy vaksiny iadiana amin’ny pesta. Raha misy andian’olona mitonona ho manana na mitonona ho manao vaksiny dia mpisandoka izay. Tsy nanome alalana na iza na iza hampanao vaksiny momba ny pesta ny fanjakana. Fahalom-pirenena ny fampisavorovoroana saim-bahoaka, hoy ny minisitry ny fahasalamana Mamy Lalatiana Randriamanarivo. Niantso fahatoniana ny Minisiteran’ny fampianarana. Namory mpanao gazety kosa ny avy amin’ny OMC (polisim-pirenena, Emmo, prefektiora) omaly hariva, izay nanambara hitohy ny fampianarana anio, ary hisy mpitandro ny filaminana hiandraikitra ny filaminan’ny mpianatra, fa tsy hampitahotra, hoy ny prefe, ny Jeneraly Ravelonarivo Angelo. Nanomboka halina dia efa nisy fepetra noraisina. Nampitandrina ny mpanakorontana izy fa hisy sazy henjana. Efa mandeha ny fanadihadiana ary efa fantapantatra ireo mpanakorontana mitety sekoly. Tsy mbola misy voasambotra fa efa misy kosa ny loharanom-baovao. Resaka politika io haparitaka hoe tsy voafehin’ny fanjakana pesta ary rehefa voafehy indray dia hamoronana fanakorontanana hafa, hoy ny prefektioran’Antananarivo. Nilaza kosa ny kolonely Ravoavy Zafisambatra, lehiben’ny Emmo-Reg, fa voararan’ny lalàna ny fanakorontanana filaminam-bahoaka, ka tsy maintsy karohina ireo mpanakorontana ary sakanana tsy hanao izany. Karohina ny porofo ary hatolotra ny fitsarana ny dosie avy eo. Hifandray amin’ny sekoly rehetra ihany koa ny polisim-pirenena hahafahana mifanome vaovao, ary manentana ny fiarahamonina hanome vaovao ara-potoana manoloana ny fisian’ireny mpanely tsaho ireny, hoy kosa ny kaomisera Tsaramonina Jean Victor. Tsy tongatonga ho azy ny zavatra tahaka izao, fa ao raha !

Toky  R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT