Fahasalamana

Trangam-pahafatesana ao Ambohitrimanjaka Tsy Covid 19 ihany fa aretina hafa koa Trangam-pahafatesana ao Ambohitrimanjaka Tsy Covid 19 ihany fa aretina hafa koa


  • Alarobia 28 Aprily 2021

Nampita fanitsiana mikasika ny fampitam-baovao izay nilaza fa mponina miisa 4 isan’andro no matin’ny Covid 19 tao Ambohitrimanjaka,

 

 amin’ny ankapobeny, hatramin’izay nisian’ilay endriny vaovao na “variant” izay. Tsy voatery ho Covid 19 ihany akory no nahatonga izay trangam-pahafatesana izay, hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Ihajason Randriamanalintsoa, fa mety aretina sy antony hafa koa fa ny tiana ambara dia hoe nitombo ny taham-pahafatesana noho ny fitomboan’ny aretina. Manamafy noho izany ny tenany ny amin’ny tokony hanamafisan’ny tsirairay hatrany ny fitandremany amin’ny alalan’ny fampiarana ireo fepetra sakana ara-pahasalamana rehetra. Aoka mba ho fara faha tarany ny ampitson’ny nahafatesany ihany no alevina ny sanatria matin’izao aretina izao, hoy izy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT