Fahasalamana

Tranga tao amin’ny HJRA Iray ihany no tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo


  • Alarobia 12 Aprily 2023

Tena sahirana ny olona. Vitsy ihany ireo nahavita nihinana sakafo miavaka amin’ny mahazatra.

Olona iray monja no fantatra fa tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo nandalo tao amin’ny hopitaly HJRA ny fetin’ny Paska sy ny alatsinain’ny Paska teo. Lehilahy iray ihany koa no toran’ny toaka tsy nahatsiaro tena. Lehilahy iray sy vehivavy iray no tratry ny fahatapahana lalan-dra raha miisa 4 ireo tratry ny valan’aretina Covid 19 izay hampahatsiahivina fa tena mbola misy tokoa. Raha araka ny tatitra azo teo anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha hatrany dia nihena ireo olona nanana olana tonga nanatona azy ireo nandritra ny fety raha oharina tamin’ny taon-dasa. Lasa 159 isa mantsy ireo tonga nizaha fahasalamana tao amin’izy ireo raha nahatratra 198 izany tao anatin’ny roa andro tamin’ny taon-dasa. Ny 24 tamin’ireo no voatery naiditra hopitaly.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT