Fahasalamana

Tranga nampihorin-koditra Avotra ihany ilay zaza norambasan’ny alika be


  • Talata 27 Novambra 2018

Zava-doza no nitranga tao Toamasina ny faran’ny herinandro teo. Alika vazaha na irony antsoina hoe : “chien de race” irony no tafavoaka tao amin’ilay tokantrano niompy azy ka niantsambotra tamina zazakely vao efa-taona monja sendra nilalao.

 

 

 Avy any aoriana io zazakely io no nohaniny ka mbola hita sy tazana amin’ny lamosin’ilay zaza avokoa ny dia-nify sy ny rangotra rehetra navelany. Nifandrimbona nanavotra ity tsy manan-tsiny ity ireo mpiara-monina taminy ka avotra soa aman-tsara ihany ny ainy. Tsy vao sambany no nandratra sy nanaikitra olona tahaka izao ity alika vazaha iray ity. Vao tamin’ny herinandro no nisy olona iray nohaniny tany an-toerana ankoatra ireo akoho amam-boron’ny olona eo amin’ny manodidina izay efa tapitra naripany. Nitambatra ny hasorenan’ireo mponina  ka samy namono ity alika avokoa. Nisy mihitsy ireo nahavatra nitondra famaky nikapana ny lohany  ka tsy namelan’izy ireo raha tsy maty ilay alika. Tsiahivina fa mahatratra 2 tapitrisa Ar no vidin’ny iray amin’ireny alika vazaha ireny, ho an’ireo vao iray volana monja efa afa-misaraka amin-dreniny. Ho an’ilay zaza kosa moa dia fantatra fa efa nentina notsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Toamasina izy ary tsy misy ahiana intsony ny ainy.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT