TOSI-DRA AVO

Ny 40%-n’ny Malagasy no lasibatr’izany


  • Talata 20 Mey 2025

Ny 40%-n’ny Malagasy no fantatra fa lasibatry ny tosi-dra avo amin’izao.

Misy vao 20 taona ny sasany dia efa miaina izany raha tsy ferana intsony ny olon-dehibe. Ny 90%-n’ireo olona lasibatr’io aretina io dia saika nandova avy amin’ny Ray aman-dReniny avokoa ankoatra ny toe-batany, raha araka ny fanadihadiana natao. Vokatry ny aretina mahazo azy kosa ny 10% raha araka ny fanazavan’ny dokotera. Misy mandeha ran’orona, kizintina, tsy mahita tory, mavesatra ny hatony ireo olona tratran’ny tosi-dra avo. Misy fanina avy hatrany ihany koa anefa, maloiloy ary tsy mety mahazo aina ny sasany. Mila manatona dokotera avy hatrany ireo mahatsapa izany fiovan’ny toe-batany izany, noho izany. Fantatra mantsy fa anisan’ny aretina mahafaty olona betsaka maneran-tany ny fananana tosi-dra avo ka ilana fitandremana, indrindra amin’izao rotorotom-piainana hiainana isan’andro izao.
Pati
Legende : Tokony hojerena matetika ny tosi-dra fa mety mahafaty tampoka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT