Torohevitra ara-pahasalamana

«Hahafahana misoroka ny apandesita ny fanatanjahantena»


  • Zoma 12 Aprily 2024

Tena ilaina ny fanaovana fanatanjahantena ho an’ny olon-drehetra.

Mety izany na dia dia an-tongotra 15 minitra isan’andro ihany aza mba hitazonana ny fahasalamana hirindra hatrany sy hisorohana ireo karazan’aretina hafa mety hitranga. Anisan’izany ny apandesita na ny appendice raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo Mandimbison Rija. Misy apandesita avokoa ny olon-drehetra saingy ho an’ireo manao fanatanjahantena kosa fa tsy mipetra-dava na matory lava dia mihintsana mankany amin’ny lalana fivoahan’ny maloto ireo voan-javatra ahiana hijanona ao amin’ny kambokely ao amin’ny tsinaibe. Ho an’ireo tsy manao fanatanjahantena kosa dia mamorona paosy ao izany toy ny voana voatabia, ny loham-bary amin’ny vary tsy voahofa tsara ary ny vato ka mitombo hatrany ary mety hodidiana mihitsy aza amin’ny farany raha tsy mitandrina ilay olona. Nomarihin’ity mpitsabo iray eo anivon’ny Centre Ainasoa etsy Namontana ity moa fa mahafaty ny apandesita raha sanatria ka vaky any anaty. Dieny vao miandoha kosa anefa izy dia azo levonina sy tsaboina tsara toy ny fanaon’izy ireo amin’ireo marary tonga manatona azy.
Pati
Legende : Rija Mandimbison, mpitsabo eo anivon’ny Centre Ainasoa etsy Namontana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT