Fahasalamana

Tontolon’ny fitsaboana Nanome fampitaovana 2,7 miliara Ar ny USAID


  • Talata 26 Jolay 2022

Ho fanamafisana ny tolotra ara-pahasalamana sitrahan’ny mponina eny ambanivohitra, nanome fitaovana ara-pitsaboana ho an'ny tobim-pahasalamana 116 ao anatin’ny distrika fito any atsinanan'i Madagasikara i Etazonia

tamin’ny alalan’ny Sampan-draharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID). Mitentina 650.000 dolara (2,7 miliara ariary) ny fanomezana ary ampahany amin’ny fanampiana ara-pitaovana izay sahanin’ny USAID, ka mitentina 8,2 tapitrisa dolara (34 miliara ariary) ho an’ny tobim-pahasalamana sy hopitaly manerana an’i Madagasikara. “Miara-miasa amin’ny Governemanta eto Madagasikara tahaka ny mpirahalahy mian’ala ny USAID amin’ny fananganana rafitra ara-pahasalamana mahavelona, mba hahazoan’ny Malagasy rehetra tombontsoa amin’ny fikarakarana ara-pahasalamana mahomby sy maharitra”, hoy ny Dr Hajarijaona Razafindrafito, Tale Lefitry ny biraon’ny fahasalamana ao amin’ny USAID/Madagasikara. Ny fitaterana ny fitaovam-pitsaboana tamin'ny zoma lasa teo dia natao tamin'ny alalan’ny fiaraha-miasa teo amin'ny fandaharanasa ACCESS izay vatsian’ny USAID vola sy ny Projet CURE , izay fikambanana tsy miankina any Etazonia, manome fanampiana ara-pahasalamana ho an'ny firenena an-dalam-pandrosoana. Hatao mandritra ny volana aogositra 2022 any amin’ny faritra Melaky ary any amin’ny faritra Analanjirofo ny volana septambra 2022 ny fanampiana manaraka. Ankoatra ny fanomezana fitaovana, ny fandaharanasa ACCESS dia manome fanohanana ara-teknika ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny ho fanohanana ny vina nasionalin’i Madagasikara manao hoe: “Fahasalamana ho an’ny rehetra, amin’ny taona rehetra. Nahatratra 85,5 tapitrisa dolara moa ny tohana nentin’ny Amerikkanina ny taona 2021 mba hanatanterahana tetikasam-pahasalamana manerana an'i Madagasikara. I Etazonia hatreto no firenena mamatsy vola betsaka indrindra ho an’ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT