Fahasalamana

Tontolon’ny fahasalamana Efa misy eto ny fitsaboana ampitain-davitra


  • Alatsinainy 14 Septambra 2020

Fomba fitsaboana vaovao nipoitra nandritra izao fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika izao ny fitsaboana hampitain-davitra ho fiarovana ny fahasalaman’ny isam-batan’olona sy tsy hisian’ny fifampikasohana be loatra raha firenena 15 no efa mampihatra azy maneran-tany.

 

 

 Anisan’ny mampihatra izany eto amintsika ny dokotera Ratsimivony, filoha mpanorina ny vondrona JCR. Nambarany nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety nokarakarainy fa ny mba hahafahana manampy sy manohana ireo olona tsy salama tsy afa-mihetsika eto am-pandriana indrindra fa ireo any amin’ny tany lavitra andriana no tanjona. Amin’ny alalan’ny antso an-tarobia hataon’ireo manana ny marary no hanoroana hevitra azy ireo ny amin’ny vonjy aina voalohany tokony hataony aloha. Mandeha maka fanafody ireo matanjaka aorian’izay raha toa ka ilaina izany hanampiana ilay marary. Tsy lafo ny saran’izany hoy dokotera Ratsimivony fa natao ho zakan’ny fahefa-mividin’ny rehetra. Mikasika ilay baoma Fosa izay nisy nisanoka teo aloha moa dia nomarihiny fa efa nohavaozina tanteraka izany ka tsy azon’ny sasany alan-tahaka intsony. Efa natao ho zakan’ny rehetra ihany koa ny heriny sy ny fofony hoy hatrany ity dokotera ity. Manasitrana aretina manodidina ny 150 isa moa ny baoma Fosa raha tsiahivina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT