Fahasalamana

Tolotra fahasalamana ho an’ny daholobe Ny 8%-n`ny Malagasy no misitraka izany


  • Alakamisy 11 Aprily 2019

Tsy mbola marisika manao fiahiana ny fahasalamana ny Malagasy. Ny 8%-n’ny olona eto amintsika ihany no misitraka ny “mutuelle santé”

 

 

raha ny salan`isa voaray nandritra ny atrikasa hijerena ny sakana sy ny vahaolana amin’ny tsy fandehanan’ny tetikasa tolotra fahasalamana ho an’ny daholobe (Couverture Santé Universelle), ny CCOC sy ny Hina ary ny Comaress. ka antony iray tena ilana ny CSU. Nanodidina io lohahevitra io sy ny tombony ho an’ny vahoaka ny dinidinika. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahasalamana hotanterahina ny zoma 12 aprily 2019 ho avy ny hetsika. Tanjona ny hahafahan’ny olon-drehetra, na manam-bola na tsia, misitraka fitsaboana ara-kalitao. Nambaran’ireo tompon’andraikitra fa mbola distrika iray ihany, dia i Vatomandry no nametrahana ny CSU eto Madagasikara. Ny fanangonana ny hevitry ny olom-pirenena no tanjona amin’izao hetsika izao. Misokatra ho an’ny daholobe ity loabary an-dasy andiany voalohany ity. Hatreto anefa dia tsy misy ny paikady mipetraka mazava saingy ny fanolorana ireo tolotra mifanaraka an’izay no natao, toy ny fametrahana ny tahiry iombonana hifampitsinjovana ara-pahasalamana (CNSS) ankoatra ny fametrahana ireo ivontoeram-pitsaboana misy (CSB sns). Telo ny distrika nisantarana ny tolotra fahasalamana ho an`ny dalohobe dia i Vatomandry, Manandriana ary faratsiho. 200 tapitrisa ariary ny sora-bola natokan`ny fanjakana ho an`ny distrika telo nisantarana ny fametrahana ny CNSS ka 66 000 ny olona hahazo fikarakarana ara-pahasalamana amin`ireo distrika ireo. Ny vahoaka mila entanina satria 30% amin`ny mponina monja no manatona tobim-pahasalamana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT