Fahasalamana

Tolo-tanana ho an’i Andry Ratovo Maro ireo namaly ny antso


  • Alarobia 17 Mey 2017

Fahombiazana, tamin’ny ankapobeny no azo tamin’ilay hetsika tolo-tanana ho an’ny namana mpanao gazety Andry Ratovo, izay natao omaly, tetsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely.

 

 Saika tonga nidodododo nitondra ny anjara birikiny avokoa mantsy ny ankamaroan’ireo mpanao gazety rehetra,  notronin-dramatoa Lalatiana Ravololomanana mpanolotsaina eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra,  Fano Rakotondrazaka avy eo anivon’ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana, ny solontenan’ireo sendika, ny minisitry ny fanabeazam-pirenena  Paul Rabary ary i  Harry Laurent Rahajason minisitry ny serasera izay namarana ny fitsidihan’ireo olobe omaly hariva. Nankasitraka feno ireo tonga namaly ny antson’izy ireo Rtoa  Ratovonjanahary Fanja, vady andefimandrin’ny namana mpanao gazety Andry Ratovo. Ny tanjon’izy ireo moa, raha araka ny fanazavany, dia handefa ity farany ho any Inde mba hanaovana ilay “transplantation” saingy miankina amin’ny vola eo am-pelatanana ihany no hahafahana manatanteraka izany. Hatreto dia efa nitentina 100 tapitrisa Ar ny vola lanin’ireo vady aman-janany sy ny fianakaviany nitsaboana ny namana mpanao gazety Andry Ratovo. Tsy manan-koraisina hitsaboana azy intsony izy ireo ankehitriny, antony nanaovana ilay tolo-tanana sy hanomanana io dia ho any Inde io. Ao an-trano kosa  i Andry Ratovo ankehitriny no tsaboina. Dokotera ao anatin’ny fianakaviana ihany koa no mitsabo azy ka ny resaka torimaso no mbola tena olany hatreto miampy ny aretim-bavony… Aretin’ny voa any amin’ny dingana farany raha tsiahivina no mahazo azy. Ho an’ireo tsy nahatratra ny fotoana omaly dia azo atao ny mandefa vola  amin’ireto laharan-tariby manaraka ireto dia ny  033 85 368 78 sy ny 034 31 005 63.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT