Fahasalamana

Toeram-pitiliana diabeta Notolorana “glucomètre” ny Faritra Matsiatra Ambony


  • Zoma 08 Janoary 2021

Notolorana "Glucomètre" ireo toeram-pitiliana diabeta ao amin'ny Faritra Matsiatra Ambony.

 

 

 

Notanterahina tetsy amin’ny Foiben’ny toeram-pitsaboana sy fitiliana ny Diabeta AMADIA tetsy Faravohitra io omaly tolakandro ny fanolorana ireo fitaovam-pitiliana diabeta ireo. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny AMADIA sy ny rantsa-mangaikany any amin’ny Faritra Matsiatra ambony ary ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka no nahazoana izany. Nisolo tena ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka nandray ireo fitaovana ireo ny Tale misahana ny Ady amin’ny Aretina tsy mifindra, Dr Vincent Rakotoarison ary ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka any Matsiatra ambony, Dr Jacky Razafimandimby. Ny Talen'ny AMADIA, Dr Haja Ramamonjisoa kosa no nanolotra ireo fitaovana izay ho fanampiana sy ho tohana amin’ny fandraisana an-tanana ireo mararin’ny Diabeta eto Madagasikara araka ny nambarany. « Ho tsara karakara anie ireo Diabetika any amin’ny Faritry Matsiatra ambony. » hoy izy raha namarana ny lahateniny. Ny diabetika dia voasokajy ho isan'ireo olona marefo amin'izao ady ataontsika handresena ny covid-19 eto Madagasikara izao. Manampy betsaka amin'ny fanatsaràna ny fandraisana an-tànana ny fahasalaman'izy ireo araka izany ny fahazoana ireto fitaovam-pitiliana ireto. Manodidina ny 4% eo amin’ny Malagasy no voan’ny diabeta, saingy mety hihoatra io, ka tokony hanao fitiliana hatrany ny olom-pirenena tsirairay.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT