Fahasalamana

Tobim-pitsaboana ao Ambohimandroso Ampasina Nahazo fitaovana raitra avy amin’ny GIZ


  • Talata 19 Desambra 2017

Nahazo fitaovana raitra avy amin’ny GIZ notarihin’ireo dokotera roalahy avy any Alemana ny tobim-pitsaboana « Centre de santé communautaire » ao Ambohimandroso,

 

fokontany Ampasina, kaominina ambanivohitra Andiana. Ny faran’ny herinandro teo no nanolorana tamim-pomba ofisialy ny fitaovana,  notarihin’ny ben’ny tanàna Rakotozandrindrainy Raphael.  Mitentina 129.530.420 Ar ny vidiny ahitana microscope, seza natokana ho an’ireo olona malemy na tsy afaka mamindra, fizahana bakteria. Mbola hiampy fitaovana hafa izany amin’ity herinandro ity ahitana fandriana miisa enina, mitentina 600.000 Ar.

Raha tsiahivina, efa tamin’ny taona 2013 no nisokatra ity tobim-pitsaboana iray ity ahitana dokotera iray, mpitsabo mpanampy iray, mpampivelona iray ary efa manana laboratoara iray ihany koa izy ireo. Laharam-pahamehan’ny ben’ny tanàna moa ankoatra ny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka tahaka izao ny sehatry ny fanabeazana sy ny fanatsarana ny fandriampahalemana. Hosoloina tafo fanitso avokoa ireo sekoly tafo bozaka amin’ny faran’ny taona. Marihina fa ahitana mponina miisa 24.000 ao amin’ity kaominina iray ity misandrahaka amina fokontany 15.

 

 

Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT