Fahasalamana

Tobim-pahasalamana fototra (CSB) miisa 500 amin’ireo 2.660 misy eto amintsika no hahazo vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, mba hitahirizana ny vaksiny.


  • Talata 25 Jona 2019

Omaly no nanolorana izany tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny Institut National de Santé Publique et Communautaire na INSPC Befelatanana, niaraka tamin’ny fampitaovana natolotr’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola hafa.

 Araka ny fantatra dia vata fampangatsiahana mandeha amin’ny solitany no ampiasain’ny 400 amin’ireo CSB ireo ary tsy manana fitahirizana vaksiny mihitsy kosa ny 100 amin’izy ireo. Ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny ankizy (UNICEF) no niandraikitra ny fividianana azy ireo sy ny fametrahana azy any amin’ny distrika miisa 77 miparitaka amin’ny Faritra 22 eto amintsika ary ny fampiofanana an’ireo mpiasan’ny fahasalamana hampiasa azy. Mitentina 4.500.000 dôlara izao tetikasa izao, ka famatsiam-bola avy amin’ny fiaraha-mientana iraisam-pirenena momba ny vaksiny (GAVI) ny 80% ary avy amin’ny fanjakana malagasy kosa ny 20%. Araka ny nambaran’Atoa Michel Saint-Lot, solontena maharitry ny UNICEF eto amintsika, dia sady miaro kokoa ny tontolo iainana no mitsitsy kokoa ny vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, raha ampitahaina amin’ireo mandeha amin’ny solitany.  Amin’izao fotoana izao moa dia mbola mampiasa an’ity fitahirizana vaksiny mandeha amin’ny solitany ity avokoa ny CSB miisa 1.816 eto amintsika.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT