Fahasalamana

Tobim-pahasalamana ao Andoharanofotsy Nahazo fankatoavana ho sakaizan’ny Wash


  • Alarobia 23 Desambra 2020

Omaly talata 22 desambra no andro nentina nanamarihana ho Sakaizan’ny

 

 

 

WASH ny tobim-pahasalamana ao anatin’ny kaominina Andoharanofotsy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Maro tokoa ny dingana efa nolalovan’izy ireo vao tody soa tamin’izao tanjona goavana izao. Raha tsiahivina kely ny “Toeram-pitsaboana ifotony Sakaizan’ny Wash “ dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny “fampielezana ny fanabeazana ara-pidiovana tanterahin’ny Wash” izay tarihin’ny Sampandraharaha misahana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ao amin'ny Foibem-pitantanana misahana ny fampiroboroboana ny fahasalamana eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nanatrika izany fankatoavana izany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny profesora Rakotovao Hanitrala Jean-Louis. Nomarihany tamin’ny fandraisam-pitenenany nataony fa ny hetsika natao dia fanatanterahana hatrany ny velirano fahadimy napetraky ny Filoham-pirenena izay mampanantena ny “fahasalamana ho an’ny daholobe”. Fiaraha-miasa akaiky tamin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Water & Sanitation for the Urban Poor no nahazoana nanatanteraka izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT