Fahasalamana

Toamasina Olona 2 indray no matin’ny pesta


  • Talata 26 Septambra 2017

Efa nandalo tany Toamasina ny ekipan’ny “institut pasteur” sy ny ekipan’ny “OMS” Antananarivo, nanao fanadihadiana ifotony sy nanao fitiliana ny tena zava-nisy marina ny herinandro lasa iny.

 

 Ny faran’ny herinandro teo dia nisy olona roa indray matin’ny pesta amin’ny tratra. Raha ny fanazavana azo, ny zoma lasa teo no nisy olona 30 taona niditra hopitaly tao Morafeno, Rehefa nozahan’ny mpitsabo dia fantatra fa pesta amin’ny tratra no nahazo azy ka nalefa haingana teny amin’ny hopitaly be Toamasina. Maty izy ny sabotsy ary efa nofantsihana tsy azo andraisana marary ny efitrano nandraisana azy teo anivon’ny hopitalin’i Morafeno. Ny faharoa kosa olona 25 taona avy hatrany dia nentina teo anivon’ny sampana mpitsabo ny aretin-tratran’ny hopitaly be. Ny sabotsy ihany koa dia maty izy. Efa samy nalevina amin’ny fepetra ara-pahasalamana avokoa izy roa ireo. Tamin’izao tranga izao dia tsy nandray ny antso an-tariby nataon’ny mpanao gazety taminy mihitsy ny talem-paritry ny fahasalamana atsinanana, raha nakana vaovao sy nangatahana mba hamoaka ny heviny. Ireo mpîtsabom-panjakana nanontaniana kosa dia manilika ny fanazavana any amin’ny talem-paritra avokoa, teo kosa ireo milaza ny tsy mahalala noho tsy fitiavan’izy ireo hanome vaovao “marina” ny mpanao gazety.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT