TOAMASINA

Mirongatra ny areti-maso, lafo ny fanafody


  • Alatsinainy 19 Febroary 2024

Mirongatra ny areti-maso ao Toamasina ao raha araka ny vaovao azo.

Tsy hanavahana sokajin-taona intsony ireo marary fa saika lasibatra avokoa na ny ankizy na ny olon-dehibe. Tsy maharaka ny fanafody eny anivon’ireo tobim-pahasalamana miankina amin’ny fanjakana noho izany, antony mampitaraina fatratra ireo marary raha araka ny vaovao voaray. Voatery mividy fanafody eny amin’ny ivon-toeram-pivarotana izany na ny pharmacie mantsy ireo te ho sitrana izay fantatra fa lafo dia lafo ihany koa ny vidiny. Raha tsiahivina anefa dia 8000 Ar no vidin’ny fanafody maso mahasitrana marary iray teo aloha teo. Anisan’izany ny Collyre Gentamicine sy Tétracycline Pommade. Ankoatra ny fanafody maso ao Toamasina moa dia mampitaraina ny maro ihany koa ny fiakaran’ny vidim-panafody fampiakarana hery fiarovana eto an-drenivohitra. Misoko mangina isan’andro izany. Raha 1000 Ar teo aloha ny iray fonosana amin’ny Vitamina C tsotra dia efa tafakatra 1300 Ar ankehitriny. Toraka izany koa ny fanafody iadiana amin’ny kohoka toy ny Soluvox izay lasa 3300 Ar ny iray fonosana raha 3000 Ar teo aloha.
Pati
Legende : Mamelibe ny areti-maso ao Toamasina ao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT