Fahasalamana

Tetikasam-pahasalamana isan-tanàna 90 tapitrisa dolara no nomen’ny Amerikanina


  • Talata 09 Aprily 2019

Malagasy miisa 16 tapitrisa no hahazo fanatsarana ara-pahasalamana amin’ny alalan’ny Tetikasa “Accessible Continuum of Care and Essential Services (ACCESS)”.

 

 

 

 Tetikasam-pahasalamana haharitra 5 taona ary goavana indrindra tamin’izay novatsiana teto Madagasikara. Notokanan’ny governemanta Amerikanina, amin’ny alalan’ny sampandraharaha Amerikanina misahana ny fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID) miaraka amin’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Profesora Julio Rakotonirina tamin’ny fomba ofisialy omaly alatsinainy 08 aprily tetsy amin’ny Hotely Carlton ny fanombohana ny tetikasa. Tanjona ny hanatsara ny kalitao sy ny fotodrafitrasa ary hanitatra ny fahazoana asam-pahasalamana mba ho tombony ho an’ny vahoaka Malagasy. Hamafisina ihany koa ny fahaiza-manaon’ny rafitry ny fahasalamana Malagasy ka ny fikambanana amerikanina tsy miankina misahana ny fahasalamana maneran-tany (MSH) no hitantana ny tetikasa. Ny tetikasa ACCESS no tetikasam-pahasalamana lehibe indrindra tamin’izay novatsian’ny Amerikanina, hoy ny Ambasadaoron’i Etazonia miasa eto Madagasikara, Atoa Michael Pelletier. Faritra 13 izay tena mbola ahitana tahan’ny  fahafatesan’ny zaza sy ny reny ambony no hisitraka ny tetikasa. Amin’ireo faritra ireo dia hisy hatrany ny fomba fiasa sy ny tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao harahin’ny fampitaovana sy fanofanana maro mba hampihenana ny taham-pahafatesana avo.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT