TETIKASA MAHITA –HOPITALY HJRA

Ankizy am-polony nozahana maso maimaimpoana


  • Talata 30 Aprily 2024

Ankizy am-polony latsaky ny 15 taona no nozahana maso maimaim-poana omaly Alatsinainy 29 Aprily

tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Raha tsiahivina tokoa dia mihabetsaka ireo olona marary maso ankehitriny indrindra fa ny ankizy. Ankoatra ny filalaovana finday ela loatra izay mihoatra ny 05 ora isan’andro ho an’ny ankizy dia anisan’ny antony mahatonga ny maso harary ihany koa ny fijerena fahitalavitra diso tafahoatra sy ny fiaretan-tory amin’ny jiro. Efa mahatratra 20.000 Ar anefa ny mijery maso fotsiny amin’izao eny anivon’ny dokotera tsy miankina iray raha manodidina ny 100.000 Ar kosa ny vidina solomaso iray na ho an’ny ankizy na ho an’ny olon-dehibe. Noho io antony io indrindra no nanosika Tetikasa MAHITA izay vatsian'ny CBM Global Disability Inclusion - Madagascar vola sy ny hopitaly HJRA Ampefiloha hifanome tanana. Notsiahivin’ireo mpitsabo maso omaly moa fa saropady tokoa ny maso ary tsy tokony hatahotra ny rehetra hanatona mpitsabo raha vantany vao misy tsy metimety na hiandry ny aretina ho lasa lavitra vao hikoropaka. Misy mihitsy hoy izy ireo ireo olona manana olana ao anaty masony ao nefa tsy fantany akory, antony ilana ny fizahana maso. Tsiahivina fa manana ny sampandraharaha misahana ny maso na ilay"service ophtalmologie" ny hopitaly HJRA Ampefiloha izay azo hatonina tsara rehefa misy olana. Pati
Legende : Marobe tahaka izao ireo ankizy tonga nizaha maso tetsy amin’ny hopitaly HJRA omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT