Hamatsy vola tetikasa fanatsarana ny famatsiana sy fanapariahana kojakoja miampy fanafody ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ady amin’ny tazomoka ary fandrindrana fiainam-pianakaviana i Etazonia, ka vola mitentina 32 tapitrisa dolara anatin’ny 5 taona no haompana amin’izany.
Tetikasam-pahasalamana goavana faharoa ho an’ity taona ity, izay tafiditra ao anatin’ilay antsoina hoe: IMPACT na “Improving Market Partnership and Access to Commodities Together”, izay fanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny tsena sy ny fahafahana mampiasa kojakoja, iarahana amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. “Tanjon’ny tetikasa IMPACT ny hiantoka fa tonga any amin’ireo tena mila izany ny fanafody sy kojakoja ara-pahasalamana rehetra; hatrany amin’ireo faritra mitoka-monina indrindra. Amin’izay raha misy mpitsabo mila fanafody hamonjena ain’olona na misy mpanentana ara-pahasalamana mila vaksiny hiarovana ankizy, dia hanana izay ilainy avy hatrany,” hoy Atoa Michael P. Pelletier, Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara, nandritra ny lanonana fanokafana. Nankasitraka sy naneho fisaorana ny governemanta amerikanina noho ny fanohanany tsy tapaka ny vahoaka Malagasy kosa ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka Julio Rakotonirina. Faritra 13 eto Madagasikara no hanatanterahana azy io, ka ny 10 ahitana fandaharana ara-pahasalamana vatsian’ny USAID ary ny 3 ambiny kosa ahitana hetsiky ny Banky Iraisam-pirenena. Ny PSI Madagasikara no mitarika ity tetikasa ity ary tohanan’ny PATH, Management Sciences for Health (MSH), Banyan Global, ary ny Fondation Telma. Vao ny herinandro lasa teo moa ny governemanta Amerikanina no nanomboka ny tetikasa ACCESS, haharitra dimy taona ary mitentim-bidy 90 tapitrisa dolara, ka hanamafisana ireo fandaharana ho an’ny fitsaboana ao anatin’io ACCES io ny IMPACT.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.