Fahasalamana

Tetiandrom-pampianarana Niova ho an’ireo Cisco voakasiky ny pesta


  • Alarobia 25 Oktobra 2017

Niova tanteraka ny tetiandrom-pampianarana ho an’ireo fari-piadidiam-pampianarana (Cisco) miisa 25 nahitana ny soritr’aretina pesta manerana ny Nosy.

 

Ny  alatsinainy 6 novambra ho avy izao izy ireo no hanomboka hiverina an-tsekoly hatramin’ny 22 desambra, fotoana hidirana ao anatin’ny fialan-tsasatry ny noely sy ny taom-baovao. Ny 4 janoary taona 2018  indray no hiverina an-tsekoly, hitsahatra ny 20 janoary, fotoana hanamarihana ny fetin’ny sekoly.  Tsy lava toy ny teo aloha ny fanamarihana ny fetin’ny sekoly fa  hifarana ny  3 febroary ary ny volana martsa indray vao hisy fijanonana kely ho fanamarihana ny tsingerin-taona nisian’ny tolom-panafahana tamin’ny 29 martsa taona 1947. Hanohy ny fianarany indray ny mpianatra ny 3 aprily hatramin’ny 22 jona. Ny 25 sy ny 26 jona ihany ny fialan-tsasatra ho an’ny fetin’ny fahaleovantena. Tsy hifarana ny taom-pianarana raha tsy ny 3 aogositra taona 2018. Ny 4 aogositra kosa no hanomboka amim-pomba ofisialy ny vakansy lehibe. Tsiahivina fa ny 31 jolay taona 2018 no hanatontosana ny fanadinana CEPE, ny 20 ka hatramin’ny 23 aogositra ny fanadinana BEPC ary herinandro aorian’izay ny fanadinana Bakalôrea. Ireo fari-piadidiam-pampianarana nahitana ny aretina pesta ihany moa no voakasik’ity tetiandrom-pampianarana vaovao ity.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT