Fahasalamana

Teknika hiadiana amin’ny homamiadana, ny fahanterana Ampianarina maimaimpoana eny Andavamamba


  • Alarobia 31 Oktobra 2018

Tafiditra ao anatin’ireo aretina sarotra sitranina kanefa sedrain’ny mponina ankehitriny ny homamiadana, ny fiakaran’ny tosidra, ny AVC…

izay nambaran’ny dokotera Rasolofoniaina, manampahaizana Malagasy nianatra tany am-pitandranomasina fa tena mamono olona maro tokoa maneran-tany. Azo sorohana avokoa anefa ireny tranga misy ireny sady azo sitranina tsara. Tsy ilàna traikefa be fa rehefa olona mahay mamaky teny sy manoratra dia mety aminy. Hampianatra ny momba izay indrindra izy ireo ny 2, ny 3 ary ny 4 novambra ho avy izao etsy amin’ny Live hotel Andavamamba.  Ny teknikan’i Gregori Grabovi, teratany Rosianina  anisan’ny manampahaizana indrindra maneran-tany no hampianariny izay mifototra amin’ny fifantohana na “concentration”. Izay foy no harotsaka, hoy ny dokotera Rasolofoniaina  raha mahatratra hatrany amin’ny 7 euros kosa raha kely ny saran’ny manatrika fampianarana goavam-be tahaka izao any ivelany. Notsindriany manokana moa fa hampianariny mandritra ireo telo andro ireo ihany koa ny teknika iadiana amin’ny fahanterana ka na 100 taona aza ny olona iray dia toy ny mbola vao 30 taona foana izy rehefa mazoto mampihatra ireo karazana teknika omena azy ireo. Tsiahivina fa  omena ny mpandray anjara mandritra ity kaonferansa lehibe ity ihany koa ny fanalahidy entina hamonjena ny ain’ireo efa eo ambavahaonan’ny fahafatesana miampita arabe nefa tsy mahita izay fiara handona azy akory. Tsara ny manamarika fa  betsaka tamin’ireo mararin’ny homamiadana  tonga nanatona an’ny dokotera Rasolofoniaina no nambarany fa sitrana soa aman-tsara vokatry ny fampiasany io teknika hozarainy amin’ny mpiara-belona io.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT