Fahasalamana

Tazomoka Namono olona 547 tamin’ny 2021


  • Alarobia 28 Septambra 2022

Tontosa omaly maraina ny fanombohana ny fikaonan-doha siantifika mikasika ny fahasalaman'ny Reny sy ny Zaza ary ny ady amin'ny aretina tazomoka.Amin’ny ankapobeny mantsy dia mbola mamono olona maro ity aretina farany

indrindra fa any amin’ny faritra, antony tsy maintsy hanaovana ezaka manokana. Zava-dehibe ho an'ny fahasalamam-bahoaka ny fisian'ny hetsika goavana toy izao, izay fotoana iray nifampizarana ireo voka-pikarohana sy ireo vokatra azo tamin'ny fampiharana isan'ambaratongany. Nahatratra 547 ny olona matin’ny tazomoka teto Madagasikara ny taona 2021. Nisy fihenana mitaha ny taona ny tamin’ny taona 2018 izay nahatratra 927, saingy na nihena aza dia tena mampivarahontsana ny mandre izany. Mitombo ny olona voan’ny tazomoka eto Madagasikara tao anatin’ny 5 taona satria hamaivanin’ny olona izany. Ny taona 2016, niisa 475 599 no voa, kanefa tafiakatra avo roa heny satria nahatratra 1 950 471 izany ny taona 2020, ary mbola avo roa heny ny 2021 satria nahatratra 2 345 584. Mampitombo ny tazomoka etsy andaniny ny fiovaovan’ny maripana, indrindra any amin’ny distrika miisa 50 ka hatramin’ny 60 izay tena hanjakan’ny tazomoka eto Madagasikara, ka isan’izany ny tapany atsimo sy andrefana iny. Rehefa mangatsiaka ny andro somary malefaka ny kaikitry ny moko, fa tena mahery vaika kosa rehefa somary mafana ny toetry ny andro. Isan’ny olana ny tsy fahalainan’ny Malagasy mampiasa lay misy odimoka na misy aza aza ny fizarana efa ho isam-baravarana. Nizara hatrany amin’ny 15 tapitrisa tamin’ny taon-dasa, ary vao tsy ela nizara iray tapitrisa tany amina distrika iray. “Tsy misy mazia mazia satria natao ho fiarovana ny ain’ny olona ny lay misy odimoka, kanefa misy mampiasa izany ho tranon’akoho amam-borona any ambanivohitra, raha izy olombelona no tokony hisitraka izany”, hoy ny Minisitry ny fahasalamana Pr Zely Arivelo Andriamanantany. Haharitra telo andro moa ny fikaonan-doha ara-pahasalamana mikasika ny tazomoka, ka manam-pahaizana manokana (spécialistes) eo amin'ny sehatry ny fahasalamana maro no hizara ireo voka-pikarohany sy ireo traikefa tsara azony mandritra izany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT