Fahasalamana

Tazomoka any Iakora Nahitam-bokany ny paikady nampiasaina


  • Talata 30 Jona 2020

Nahitam-bokany ny ady amin’ny tazomoka any amin’ny distrikan’i Iakora. Nanomboka ny volana mey lasa teo mantsy dia maro ireo ezaka sy paikady

 

 

 

napetrak` ireo mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana rehetra any an-toerana entina hamongorana ifotony an’ity aretina tazomoka ity. Nisy ny fizarana fanafody ho an’ireo mponina, na ny marary na ny salama entina hisorohana ny aretina. Namendrahana fanafody avokoa ireo tobim-pahasalamana fototra na CSB miisa 11 ao anatin’ity distrika ity. Ankoatra izay dia natao mafy mihoatra ny tokony ho izy fanentanana ny mpiara-belona rehetra mba hamonjy tobim-pahasalamana haka fanafody sy hitsabo tena any amin’ireo CSB raha vao misy fambaran’aretina. Nisy moa ny fivoriana nentina namaritana ireo paikady napetraka ireo, sy ny hanohizana izany hatrany ho famongorana tanteraka ny aretina tazomoka any an-toerana. Nentanina ihany koa ny mponina, indrindra ny vehivavy bevohoka sy ny zaza latsaky ny 5 taona mba hanao lay amin’ny alina ary tsy hampiasa ny lay amin’ny antony hafa, ankoatra ny maha fiarovana azy amin’ny aretina tazomoka.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT