Fahasalamana

Tazo mahery sy tazovony Eo am-panomanana ny fanafody ny FITRAMA


  • Talata 30 Martsa 2021

Ankoatra ny valan’aretina Covid 19 dia mamely ihany koa ny tazomahery sy ny tazovony amin’izao.

 

Olona maro no fantatra fa voany, antony manosika ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA hanomana ny fanafody mifandraika amin’izany. Efa eo am-panomanana izany izy ireo ankehitriny raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ao an-toerana. Mikasika ny valan’aretina Covid 19 moa dia fantatra fa hilaharambe mihitsy ny eny anivon’ny FITRAMA amin’izao hahafahan’ny olona miaro tena. Hividy fanafody no anton-dian’ny ankamaroan’ireto farany raha araka ny fantatra ka ho an’i Toamasina dia hipoky ny filaharana ny foiben-toeran’izy ireo anankiroa. Tsy hamidy anefa ny fanafodin’ny FITRAMA hoy ny fanazavana fa tsy maintsy amin’ny alalan’ny traitement no hahafahana mampiasa azy izay hialohavan’ny fizaham-pahasalamana hataon’ny dokotera. Toraka izany koa ny kely mavitrika izay fantatra ihany koa fa tsy hamidy fa tsy maintsy amin’ny alalan’ny fizaham-pahasalamana sy ny traitement ihany koa no hahafahana mampiasa azy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT