Fahasalamana

Tapim-bava Azo eritreretina ny hizarana maimaimpoana azy


  • Alarobia 25 Martsa 2020

Nanao fanambarana ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana omaly fa hisy orinasa hamokatra tapim-bava na “masque” miisa 400.000 hanampy amin’ny fiatrehan’i Madagasikara ny Covid19.

Nifanindran-dalana tamin’ity fanambarana ity koa anefa no nisian’ny fanambaran’ny orinasa Malagasy goavana mpamokatra akora vita amin’ny lamba iray fa hamokatra tapim-bava “omeny” ireo mpiara-miasa aminy rehetra izy ireo. Tsy mbola nahazo fankatoavana avy amin’ny fanjakana, raha ny fanambarana izany, saingy heverina kosa fa ilain’ny mpiara-belona ao anatin’izao loza hatrehin’ny firenena sy izao tontolo izao izao. Azo sasana sy averina ampiasaina izany, raha ny fanazavana, saingy ny fanontaniana mipetraka kosa dia hoe ho ara-pahasalama ; tetsy ankilan’izay efa nanambara ny filoham-pienena fa hisy tapim-bava ana hetsiny ho avy eto Madagasikara afaka andro vitsy, ary ho zaraina maimaimpoana amin’ireo olona tena mila azy izy io araka ny fandaminana ataon’ny fanjakana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT