Tapany atsimon’ny nosy

Mamely mafy ny tazomoka


  • Alarobia 11 Jona 2025

Nisy ny fitetezam-paritra sy fizahana ara-pahasalamana niarahan’ny Kristianina

mandinika raharaham-pirenena sy ireo mpitsabo miara-miasa aminy tany amin’iny tapany atsimon’ny nosy iny ny faran’ny herinandro teo. Araka ny nambaran’ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana, dia tena mamely mafy amin’iny tapany atsimon’i Madagasikara iny amin’izao fotoana izao ny tazomoka. Raha misy olona miisa 10, hoy izy, anaty tokantrano iray dia ny 1 amin’ireo ihany angamba no tsy tratran’izany tazomoka izany. Hita izany tao Ihosy, Ilakaka, Andranohira. Fara faha keliny olona miisa 50 eo no mihazo CSB II iray noho ny tazomoka. Efa hitanao ihany koa hoe tena voa mafy ireo olona ireo vao manatona tobim-pahasalamana fa ny any an-tokantrano izany tsy fantatra intsony hoe manao ahoana? Zazakely izay, natrehin’ny mason’ny tena, efa herinandro angamba izy no voan’ny tazo, efa «phase 3» na dingana fahatelo amin’ilay aretina ity hoy ny Dokotera, efa niala aina ilay zaza vao nentin’ny ray aman-dreniny tany amin’ny toeram-pitsaboana, natao ny alanenina rehetra saingy tsy tana ny ainy. Nibaradaka moa ireo ray aman-dreny fa noho ny tsy fananana no antony tsy nanatonan’izy ireo tobim-pahasalamana. Ny any ambanivohitra koa tena mbola miantehitra amin’itony raokandro itony. Eo koa ny fivarotam-panafody madinidinika toy ny Paracetamol sy ny tariny dia mbola mionina amin’izay aloha sitrany ahay. Ny lay izay nozaraina tamin’ny ezaka fanentanana samihafa navadik’izy ireo harato hanjonoana hazan-drano. Deraina manokana nefa na izany aza ireo Dokotera namana tao amin’ny CSB II satria tena tsy mandry andro alina, tsy mandry andro. Azo lazaina hoe mora nefa ny saran’ny fitsaboana ary tena manampy aza ireo Dokotera any an-toerana. Tokony jerena manokana ireo mpitsabo any ary hampiana karama aza satria tena mafy ny asan’izy ireo nefa ny torimaso koa mbola tsy zarizary, hoy hatrany ny tenany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT