TAORIAN'NY COVID 19

Nihena hatrany amin'ny 35% ny


  • Alakamisy 04 Septambra 2025

tahan'ny fanaovam-baksiny teto Madagasikara

Nihena hatrany amin'ny 35 % ny tahan'ny fanaovam-bakisiny teto Madagasikara taorian'ny fiparitahan'ny valan'aretina COVID teto amintsika. Na izany aza efa mba tafakatra 86% izy io ankehitriny izay ezahina hahatratra hatrany amin'ny 90% ato anatin'ny efa-bolana raha araka ny fanazavan'ny profesora Randriamanantany Zely Arivelo, Ministry ny Fahasalamam-bahoaka tamin'ny mpanao gazety omaly. Rehefa mihena mantsy ny tahan'ny fanaovam-baksiny dia atahorana ihany koa ny fiparitahan'ny valan'aretina izay nomarihiny manokana fa antony hanaovana ezaka hamatsiana ireo hopitalim-panjakana eto amintsika. Moto cross miisa 1.432 mitentim-bidy 2,191 dolara mahery isanisany izay ny 803 isa avy amin'ny banky iraisam-pirenena raha ny 629 isa avy amin'ny UNICEF /GAVI. Niampy vata mangatsiaka sy kamiao lehibe miisa 2 ho enti-manatitra vaksiny manerana ny Nosy ireo raha teo ihany koa ireo fiara tsy mataho-dalana miisa 13 ho an'ny fanaraha-maso sy fanohanana teknika eny ifotony. Omaly Alarobia 03 Septambra no nanolorana tamim-pomba ofisialy ireo fitaovana ireo niaraka tamin'ny fiara misy vata fampangatsiahana 17 isa avy amin'ny tetikasa Miarova, 22 avy amin'ny UNICEF Gavi. Tanjona ny hanatsarana ny tahan'ny fanaovam-baksiny manerana ny Nosy ka ny antsasak'ireo CSB no hisitraka izany.
Pati
(Sary fanehoana) 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT