TANORA EO AMIN'NY

SEHATRY NY FAHASALAMANA


  • Talata 11 Novambra 2025

Mila irosoana ny fanaovana ny

protocole d'accord" sy fampitomboana ny tetibola

Tsy mbola ahafahan'ireo mpitsabo manome tolotra ara-pahasalamana tsara sy sahaza ny vahoaka Malagasy ny zava-misy amin'izao fotoana hoy ireo tanora ao anatin'ny sehatry ny fahasalamana omaly. Nisy ny fihaonana saingy mila irosoana faran'izay haingana miaraka amin'ny Minisitry ny fahasalama-bahoaka ny fanaovana ny "protocole d'accord" ary jeren' ny solombavambahoaka manokana ny resaka tetibola izay nihena raha oharina tamin'ny taona lasa.
Nifampitaona ary nirohotra namonjy ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka moa ireo tanora ao anatin'ny sehatry ny fahasalamana. Andrasan'izy ireo arak'izay ny hamahana ny olana mba ahafahana manatsara ny sehatry ny fahasalamana satria tena iainkinan’ny aim-bahoaka sy ny ho avin’ny firenena mihitsy io. Tsy afaka ny hiasa sy hamokatra tsara ny olombelona tsy salama na farofy lava hoy izy ireo ; tena ilaina ny fahafahana manolotra fitsaboana araka ny tokony ho izy ny olombelona ka mila fahaizana, fitaovana, fotodrafitrasa ary tetibola izany fa tsy tongatonga ho azy amin’izao , hoy hatrany ny fanehoan-kevitra. Omeo ny hasina sahaza azy ny asa fitsaboana sy ny mpiasan’ny fahasalamana hoy izy ireo fa tsy atao anjorom-bala na hanilihina lava ny rihitra rehefa misy ny tsy fetezana kanefa ny tontolo iasany manahirana.
LALAINA RAV
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT