Fahasalamana

Tandindomin-doza i Madagasikara Tsy voafehy ny pesta


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2017

Andro vitsy taorian’ny nilazan’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Mamy Lalatiana Andriamanarivo fa efa voafehy ny fihanaky ny pesta eto Madagasikara dia voaporofo ankehitriny fa ny mifanohitra amin’izay no zava-misy. Miparitaka an-tanàn-dehibe mihitsy ny pesta mpahazo ny tratra na ny « pesta pulmonaire ankehitriny.

 Mpanazatra matin’ny Pesta

 Nampikorapaka ny fanjakana ny fodiamandrin’ny mpanazatra ny klioba mpilalao basikety Beau Vallon avy atsy Seychelles teny amin’ny Hopitalin’ny Miaramila Soavinandriana, nitarika ny mpilalaony niatrika ny fiadiana ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompondaka na ny CCCOI, izay maty ny faran’ny herinandro teo. Ny minisitry ny fahasalamana Mamy Lalatiana Andriamanarivo mihitsy no nanamafy fa aretina « peste pulmonaire » no nahafaty io teratany vahiny io, saingy tsy fantatra mazava ny toerana nahazoany ilay aretina. Toa nafenimpenina anefa izany tany am-piandohana, saingy nivoaka ihany ny marina taty aoriana. Rehefa voamarina moa io tranga io dia nikaton-trano tsy azon’ny mpijery natrehina ny lalao manasa-dalana ny sabotsy sy ny famaranana omaly alahady ho an’ny Baskety CCCOI 2017 izay natao teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina.

 

Miantso vonjy iraisam-pirenena

 

Manoloana ity toe-javatra ity, dia nanao fivoriana maika ny tompon’andraikitra vitsivitsy ny 30 septambra lasa teo, izay notarihin’ny praiminisitra, lehiben’ny governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier, ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka Andriamanarivo Mamy Lalatiana, ny minisitry ny fanatanjahantena Andriamosarisoa Jean Anicet, ny minisitry ny rano, ny angovo ary ny akoran’afo Rasoloelison Lantoniaina, ny solontena maharitry ny UNICEF, Elke Wisch, ny OMS Charlotte Faty Ndiaye, ny PNUD  Violet Kakyomya. Tsy maintsy natao ny “Déclaration d’urgence” eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena noho ny fipariahan’ity aretin-doza ity satria 24 izao no efa maty, ka ny 5 teto Antananarivo. Tsy mbola mikatona kosa hatreto ny seranam-piaramanidina na ny vavahady hafa hidiran’ny vahiny saingy hentitra ny fanaraha-maso. Nambaran’ny solontenan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) fa misy ny fitaovana famandriham-boalavo izay sady mamono ny voalavo ary koa ny parasy entiny, izay haparitaka araka izay mahafaingana azy. Nilaza ny kosa praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier, fa tokony hatsahatra aloha ny famoriam-bahoaka sy hetsika ofisialy, toy ny any an-tsekoly mba hisorohana ny mety ho fipariahan’ny valan’aretina, ary rehefa voafehy izany vao haverina amin’ny laoniny ny zava-drehetra.



Nanao antso avo ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary fa tokony hanao fanadiovana faobe ny sekoly rehetra manerana an’i Madagasikara mba hadio tsara ny trano fianarana sy ny manodidina azy. Tsy maintsy mailo foana mba isorohana ny fiparitahan’ny pesta.

 

Toky R sy J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT