Fahasalamana

Tana Ville, Atsimondrano, Avaradrano Misokatra ny fanaovana vaksiny Pfizer


  • Talata 21 Desambra 2021

Nanomboka omaly alatsinainy 20 desambra 2021 ny fanaovana ny vaksiny Pfizer ho an’ny olona feno 18 taona noho miakatra izay tsy mbola nanao vaksiny miaro amin’ny Covid-19 eto Antananarivo Renivohitra na Tana Ville,

 Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano. Ireto avy ny toerana hahitana izany, araka ny toromariky ny Minisiteran’ny fahsalamam-bahoaka ho an’ny omaly 20 desambra. Ho an’Antananarivo Renivohitra : CHU JRA eny Ampefiloha, CHU JRB eny Befelatanana, KIANJA BAREA Mahamasina, KIANJA MAITSO ANALAMAHITSY, SITE NATIONS-UNIES ANDRAHARO, ANKATSO. Ho an’Antananarivo Atsimondrano : CSB2 ANDOHARANOFOTSY, CSB2 TANJOMBATO, CSB2 ANKARAOBATO, CSB2, ANOSIZATO, CSB2 CITÉ ITAOSY, CSB2 ITAOSY HOPITALY. Ho an’Antananarivo Avaradrano kosa dia eny amin’ny CSB2 TALATA VOLONONDRY. Hitombo ny toerana hanaovana ny vaksiny Pfizer manomboka anio 21 desambra ary holazaina eto amin’ny pejy ofisialin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka hatrany, hoy ny fampahafantarana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT