Fahasalamana

Tambavy mangidy, sakafo matavy Mankarary ny voa…


  • Alarobia 10 Aprily 2019

Aretina iray tena betsaka mahazo ny Malagasy ankehitriny ny aretin’ny voa. Dimy taona no kely indrindra voa raha 20 taona no ho miakatra no tena betsaka indrindra.

 

 

 

 Anisan’ny antony mahatonga ny aretin’ny voa, raha araka ny fanazavan-dRasoahanta Pascaline, filohan’ny federasionan’ny marary voa eto Madagasikara ny fihinanana sakafo matavy loatra. Toraka izany koa ny fanafody sy ny tambavy mangidy tsy nahazoana alalana avy amin’ny dokotera, ankoatra ireo olona efa tratry ny aretina diabeta sy ireo miakatra tosidràa lava. Fivalanan-drano mandroatra no hahafantarana voalohany ny aretin’ny voa, raha araka ny fanazavan’ity  filohan’ny federasiona ity hatrany. Efa tsy vitan’ilay voa intsony mantsy ny manivana ireo karazana menaka sy zavatra maro samihafa mandalo ao aminy, ka mampiova ny endriky ny fivalanan-drano ho tahaka izany. Rehefa marary voa, hoy Rasoahanta Pascaline izay marihina fa marary ihany koa dia tsy maintsy manokana vola 5 tapitrisa Ar isam-bolana ny olona iray hanaovana dyalise sy hividianana fanafody. 250.000 Ar mantsy no saran’ny manao dialyse indray mandeha nefa tsy maintsy hatao in-telo isam-bolana izany, raha kely. Manginy fotsiny ny vidin’ny fanafody ilaina toy ny vitamina, ny calcium izay 30.000 Ar isaky ny boaty iray ny vidiny miampy ny analizy hatao eny amin’ny institut Pasteur. Ho an’ireo tsy te-hanao izany kosa dia nambarany fa efa misy ny tsindrona amin’ny vidiny 6 hetsy Ar izay tsy maintsy hatao isam-bolana mba hanadiovana ilay ra. Nomarihin’ity filohan’ny federasionan’ny marary voa ity fa efa vitan’ireo dokotera mpandidy eto amintsika tsara ny manao “transplantation” na voa saingy ny fitaovana no tsy ampy ka tokony hojeren’ny fanjakana. Any Frantsa anefa efa mahatratra  100.000 Euros ny manao izany raha 10.000 dolara kosa any Inde.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT