Fahasalamana

Tambavy CVO Nilamina ny resak'i Rajoelina sy ny OMS


  • Zoma 22 Mey 2020

Nahafapo ny resaka nifanaovana tamin'ny Tale jeneralin'ny OMS Dr Tedros Adhanom Ghebreyesus izay mankasitraka ny ezak'i Madagasikara amin'ny ady ataontsika amin'ny coronavirus, hoy i Andry Rajoelina Filoham-pirenena Malagasy ny alarobia teo

 

. Hanao sonia fifanarahana hitazomana ny tsiambaratelon'ireo singa nanamboarana ny tambavy Covid Organics ary hanohana amin'ny fanaovana ny andrana ity tambavy Malagasy ity izay hitarina manerana ny kaontinanta Afrikanina ny OMS, raha ny nambarany. Andrana izany no hatao, izay midika fa mbola tsy misy ny fanekena ilay fanafody fa miankina amin’izay ho tohin’ny andrana. Na izany aza, dia somary nilamindamina izany ny fifandonana sy tsy fifankahazoana eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny OMS. Marihina fa ny Dr Tedros Adhanom Ghebreyesus dia teratany Etiopianina, hany Afrikanina mitantana rafitra goavana iraisam-pirenena eo anivon’ny ONU. Nahazo kihana maro samihafa tamin’io rafitra io ny Afrikanina, indrindra fa i Madagasikara, ka isan’ny nampitenenina nampitandrina antsika sy ny firenena aty Afrika ny Lehiben’ny OMS ho an’ity kaontinanta ity dia ilay Botswanaise Dr Matshidiso Rebecca Moeti. Nihenjana hatrany ny tady teo, ary ny 11 mey i Andry Rajoelina no nanakiana mafy ny OMS hoe : satria aty Afrika no mahita ilay tambavy dia lasa adihevitra be. Betsaka ny kazaram-pikarohana sy andrana tsy nahazo fankatoavana, saingy tsy misoka-bava amin’izany ny OMS sy ny Dr Moeti. Ny 17 mey teo, dia mbola naneho fa vonona amin’ny fiaraha-miasa i Madagasikara, saingy tsy baikoan’ny any ivelany. Nilamindamina izany ny resaka. Nanao vazaha mody niady ve izany teo aloha?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpitsabo nentim-paharazana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

«Mitaraina ho tian’ny olafitry

  • TONGA HATRANY
  • Talata 28 Aprily 2026

MAHAJANGA NY AMBALAVELONA

  • Dokotera mpitsabo biby
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Tena antoky ny fanajarian-tsakafo sy ny fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT