TALATA VOLONONDRY

Nahazo CSB II vaovao


  • Alatsinainy 23 Septambra 2024

Nahazo CSB II vaovao ny Kaominina Talata Volonondry, distrikan’Avaradrano.

Afak’omaly Sabotsy 21 Septambra no nanokanana tamim-pomba ofisialy ny foto-drafitrasa. Raha araka ny fanazavan’ny Dokotera Lalaina lehiben’ity tobim-pitsaboana ao Talata Volonondry ity dia hihatsara ny fandraisana an-tanana ireo olona tonga manatona azy ireo manomboka izao. Efa mitokana avokoa mantsy ny trano fiterahana natokana ho an’ny vehivavy, ny fampisafoana ireo vehivavy bevohoka, ny fanaovam-baksiny ny ankizy, ny fandraisana an-tanana anireo marary tsotra…. ho fanajana ny zo maha-olona. Efa lasa 9 mantsy ny tontalin’ny efitrano rehetra mandrafitra ity CSB II vaovao ao Talata ity raha tsy nisy afa-tsy 3 teo aloha. Izany no natao moa dia ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny mponina izay voatery manenjika Kaominina hafa na eto an-drenivohitra rehefa hiteraka na tojo tsy fahasalamana.
Pati
Legende : Afa-pahasahiranana amin’ny fahazoana ity CSB II vaovao ity ny mponina eto Talata Volonondry !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT