Ny fandalovan’ny minisitry ny fizahantany nihaona tamin’ireo mpandraharaha sy ny mpisehatra amin’ny fizahantany tao Toamasina ny sabotsy no nanaporofoan’ny minisitra Roland Ratsiraka ny vaovao efa nivoaka teto amin’ny Tia Tanindrazana ny amin’ny tsy hahatongavan’ny sambo mpitondra mpizahatany “Costa” ao Toamasina amin’ny diany roa voalohany amin’ity volana novambra ity.
“Mila hamafisintsika ny fampitam-baovao marina mikasika ny pesta fa misy amin’ireo nosy mpirahavavy amintsika no manararaotra azy io ka manaratsy antsika mba hahazoany ireo mpizahatany tsy mahafoy ny nosintsika”, hoy ny minisitra. Izay no nahatonga ireo mpisehatra amin’ny fizahantany ao Toamasina nilaza fa lasa “nosy mpirafivavy” ilay rafitra “île Vanille” eto amin’ny ranomasimbe Indiana, satria ny fandrahonana ny hanageja ny sambo “Costa” ao anatin’ny 40 andro raha toa ka mandalo ao Toamasina no nahatonga ireo tompon-tsambo nanafoana ny zotra roa amin’ity volana novambra ity.
400 tapitrisa ariary ny fatiantoka
Noho io olana io dia manodidina ny 400 tapitrisa ariary ny vola very ho an’ireo mpisehatra an’arivony misahana ny fahatongavan’ny sambo “Costa” tokony hiantsona ao Toamasina rahampitso talata 7 novambra. Anisan’ireny ireo mpira-dia, mpivarotra taozavatra, mpitatitra hatramin’ny mpitarika posy manokana, toeram-pisakafoanana ary ireo toerana azo tsidihina toy ny “Parc Ivoloina” sy Tapakala ary ny lakandranon’i Pangalana. Nambaran’ireo mpandraharaha misahana ny sambo “Costa” anefa fa mety amin’izy ireo ny fanemorana mba hahafahana manome toky tsara ireo mpizahatany an’arivony ho tonga manomboka ny 5 desambra izao ary hatao isaky ny 15 andro hatramin’ny volana martsa. Hihazo an’i Londres ny minisitra Ratsiraka Roland atsy ho atsy hiatrika ny fivorian’ny vondrona iraisam-pirenen’ny fizahantany ka ny fiarovana ny fizahantany malagasy amin’ny fanazavana ny tena marina mikasika ny valanaretina pesta no tena hataony, hifanohanany amin’ny sekretera jeneralin’ny OMT izay efa nandalo teto Madagasikara. Ankoatra izay, tsy ho tonga ny 27 novambra izao ihany koa ny sambo “Aida”, saingy efa nanome toky fa hiantsona ao Toamasina manomboka ny 8 desambra izao ary hanao izany im-pito.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.