Fahasalamana

Tahotra diso tafahoatra Isan’ny mampihena hery fiarovana


  • Alakamisy 16 Jolay 2020

Na hohanina daholo aza ny karazana legioma sy voankazo ary atao daholo ihany koa ity karazana raokandro rehetra ity dia zava-poana rehefa tafahoatra ny tahotra ny aretina COVID 19,

 

 hoy ny mpitsabo iray amin’ny alalan’ny fanoran-drantsana na irony antsoina hoe “reflexothérapie” irony. Isan’ny mampihena hery fiarovana vetivety ny tahotra, raha ny fanazavany, satria miteraka rarintsaina rehefa mandona ny rentsika voatokana amin’izany na ilay antsoin’ny olona hoe “nerf de stress”. Arahana ny fepetra saingy tsy tokony ho koditra kosa raha sanatria nahatsiaro ho nisy fotoana tsy nahatandrina izany. Hevero ho toy ny fahavalo natao ho faty io, hoy ny torohevitra, ka ny fanafihana azy amin’ny alalan’izay fanarahana fepetra izay sy fampiakarana hery fiarovana amin’ny zavatra ho anina isan’andro efa natoro antsika no handresena azy. Ilaina ny mihinan-javatra ahitana ny otrikaina sy vitaminina rehetra saingy tokony ovaovaina isan’andro mba hisy ny karazany rehetra. Ezaho mba hisy loko miisa 3 fara fahakeliny eo am-bilia, hoy kosa ny Dr Marius Ramaroson, manam-pahaizana manokana momba ny fameloman’aina.

Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT