Fahasalamana

Taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza Azo ahena amin’ny fanatsarana ny kalitao


  • Zoma 07 Desambra 2018

Nampahafantarina tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy omaly alakamisy 6 desambra ny fandaharan’asa MCSP (Maternal Child Survival Program) izay vatsian’ny masoivohon’ny firenena mikambana vola.

 

 

Tetikasa enti-manampy ny minisiteran’ny fahasalamana hanatsarana ny kalitao ka nanatanterahana fampiofanana sy ny fanomezana fitaovana maro samihafa ho an’ny mpiasa. Araka izany dia nampianarina ny mpiasan’ny fahasalamana ny amin’ny fandraisana ny olona marary na eny anivon’ny toby fitsaboana CSB na ny eny amin’ny hopitaly. Rehefa voaray tsara amin’ny tambitamby avy amin’ny rasazy na ny dokotera mantsy ny olona dia mazoto manatona ny toeram-pitsaboana. Iaraha-mahita fa misy hatrany ny kitakita sy ny tabataba eny amin’ireny hopitaly samihafa ireny ka mila hatsaraina  izay vao entanina manatona mankeny ny olona. Amin’izao fotoana dia zaza 1 ao anatin’ny 3 no maty aorian’ny iray volana nahaterahany ary vehivavy 10 no maty am-piterahana isan’andro eto Madagasikara. Azo sorohana ihany anefa ireny rehefa mihatsara ny kalitao eo amin’ny fandraisana ny marary na koa ny fanatsarana ny fitaovana. Tanjona ny hampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny ho 300/100 000 raha toa ka 47/100 000 amin’izao. Eo ihany koa ny fisorohana ny taham-pahafatesan’ny zaza aorian’ny fahaterahany ho 17/1000 raha 26/1000 ankehitriny.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT