Tafakatra any amin’ny 240 ny maty tao Ikongo

Nofohazin’ny mpitondra hitsaboana tazomoka ny CVO+


  • Alarobia 02 Jolay 2025

Mbola mihorohoro amin’ny fihanaky ny tazomoka mahery ny faritra Ikongo.

Miezaka mampitony ny saim-bahoaka kosa ny fitondrana, ka maneho fa mandray andraikitra, amin’ny alalan’ny serasera sy fanaovana tatitra fa efa nandeha ifotony ny delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny BNGRC, ny Tafika. Nilaza ny tompon’andraikitry ny fahasalamana any an-toerana fa tsy misy Chikungunya na Dengue fa tazomoka no mitranga. Nohamaivanin’ny solontenam-panjakana dia ny Governoran’i Fitovignany Atoa Razafitsaotra Lucien ity raharaha ity, ary nolazaina mihitsy fa tsaho sy sary namboamboarina tamin’ny « photoshop » izay ny fahitalavi-panjakana TVM no nanelezana an’io. Efa niparitaka ny tatitra sy ny tsikera toy ny fanisana ireo olona maty nisy fitomboka ara-panjakana niloko mena namoaka fa 216 ny olona matin’ny tazomoka na aretina hafa nanomboka ny janoary ka ny mey sy jona fotsiny no 118 vao nanao serasera nilaza ho mandray andraikitra ny Fanjakana. Omaly, nilaza ny mponina iray tao Ambatofotsy fa efa tafakatra 240 any ho any ny namoy ny ainy hatramin’izay, ka omaly fotsiny no 3 no tao amin’io kaominina io. Ny vaovao tsy ofisialy hafa naneho, fa ny tao Ambalatenina 4 Ampisaha 3, Ambohimavelo 2, Ambatofotsy 3, Sarakinja 3, Tandrakoby 2. Maneho ny Fanjakana fa nitondra fanafody toy ny CVO+, Doliprane, antibiotika sy ny maro hafa any an-toerana. Mampiady hevitra moa ity resaka CVO+ izay 5025 eo no voalaza fa nentina any Ikongo. Izy io izay nolazaina fa fanafodin’ny coronavirus 5 taona lasa ka ampiasaina amin’ny tazomoka ihany koa izany izao. Sao sanatrian’ny vava lasa hararaotina hanao doka an’io indray ny olana ara-pahasalamana miseho ? Eo ihany koa ny fametrahana « Centre de coordination d’urgence » izay miasa 24 ora nanomboka ny 27 Jona teo, hoy ny fanambaran’ny Jeneraly Elack Olivier Andriakaja, Tale Jeneralin’ny BNGRC. Na efa somary mihena aza ny tranga noho ny fisiana fandraisana an-tanana samihafa, mbol an-jatony ny marary, izay anaty fepetra manahirana noho ny tsy fisiana na tsy fahampiana dokotera, fanafody na fitaovana fitsaboana fototra. Any amin’ireo fokontany lavitra indrindra dia miezaka mafy mitsabo amin’ny fomba nentim-paharazana, hoy ny fampitam-baovao. Isan’ny mitoka-monina rahateo Ikongo, saro-dàlana, iharan-doza matetika, adino,… hany ka efa tena zava-doza vao mikorapaka ny mpitondra.
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT