Tafakatra 2000

ny trangana Mpox voamarina


  • Alakamisy 11 Jona 2026

Anisan’ny niakatra be ny tranga ho an’Antananarivo

Tafakatra ny 2 000 trangana Mpox voamarina ho an’i Madagasikara, araka ny antontan’isa ofisialin’ny Minisiteran’ny fahasalamana omaly. Hatramin’ny nanombohan’ny fanaraha-maso tamin’ny volana desambra 2025, dia 3 271 tranganotaterina, 2 000 kosa voamarina ary 7 maty. Tamin’ny 9 jona irery, voarakitra ny 22 tranga ahiahiana, 18 voamarina ary 5 sitrana, tsy nisy fahafatesana vaovao. Maherin’ny 20 izany ny tranga tao anatin’ny 3 andro satria ny 7 jona teo, dia teo amin’ny 1976 ny tranga hatramin’izay. Nandritra ny efatra herinandro farany, distrika 4 no tena voakasika : Antsiranana I (25 %), Toamasina I (21 %), Antananarivo Renivohitra (18 %), Sambava (6 %), Toliara II (5 %). Ho an’ny teto Antananarivo dia isan’ny niely teny amin’ny tambajotran-tserasera ny fisiana tranga ahiana fa izy teny Ambohimanarina. Ho fiarovana sy fisorohana, hisy ny hetsika fanaovam-baksiny faobe hotanterahina ny 10 hatramin’ny 12 jona, manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato. Tanjona ny hiaro ireo mpiasa sy ireo olona marefo mety ho tratry ny aretina, hampitombo ny isan’ireo vita vaksiny, hanamafy ny fahalalana momba ny MPOX sy ny fomba fisorohana azy, ary hanatsara ny fahaiza-mamantatra sy mampandre haingana ireo tranga ahiahiana eny amin’ireo vavahady fidirana eto Madagasikara. Notolorana fitaovam-piarovana manokana (EPI) sy fitaovana isan-karazany ho an’ireo sampan-draharaha miandraikitra ny fanaraha-maso sy fiambenana ara-pahasalamana eny amin’ny seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo iraisam-pirenena manerana ny Nosy. Ity hetsika ity dia maimaimpoana sy misokatra ho an’ny daholobe. Ny vaovao toy izao dia mampahatsiahy ny maha-zava-dehibe ny fisorohana sy ny fitsaboana haingana, ary koa ny fanentanana ho an’ny vondrona marefo mba tena hitandrina. Tsy afaka manao tsirambina anefa na tsy marefo aza. Averina hatrany ny laharana 910 sy 115 ho an’izay mila fanazavana sy torohevitra.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT