Fahasalamana

Tafakatra 124 ny matin’ny pesta Kajy politika no mahamaika ny HVM


  • Alarobia 25 Oktobra 2017

124 ny maty, ka ny 63 tamin'ireo tany amin'ny hopitaly ary ny 61 kosa teny anivon'ny fiarahamonina. 999 ny trangan'aretina, ary 780 nanaraka fitsaboana no nambara fa efa sitrana.

 219 kosa ireo mbola tsaboina, araka ny tatitry BNGRC ny alatsinainy 23 oktobra tamin'ny 8 ora alina. Ankoatra ny fanamarihana sy toromarika isaky ny filankevitry ny governemanta rehefa talata anefa, dia tsy hita izay tena ataon’ny minisitera hafa amin’ny ady amin’ny pesta. Miady irery ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, ary tratry ny vely kanota andro aman’alina ingahy Mamy Lalatiana Andriamanarivo. Misy ny hadisoana mihoapampana nataon’ity tompon’andraikitra ity, saingy mba aiza ny hafa ? Sa tsy te haloto sy tsy te ho afa-baraka ao anatin’izao raharaha pesta izao ? Milaza sahirana ny minisiteran’ny fanabeazana. Mba manohana kely amina fanambarana am-bava sy an-tsoratra ny minisiteran’ny  fampianarana ambaratonga ambony. Fa angaha izy ity tsy « gouvernement de combat », araka ny fieboebon’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier indray e ? Aiza ny minisiteran’ny serasera ? Ny foloalindahy azo hetsehina miara-miasa amin’ny minisiteran’ny fahasalamana, ary azo halefa manerana ny faritra misy pesta, izay efa 14 amin’ny 22 izao no ahitana azy. Tsy ampy mihitsy anefa ny fampahafantarana ny olona ny momba ny pesta sy ny tokony na tsy tokony hatao. Angaha vitan’ny dokambarotra amin’ny radio sy fahitalavitra izy ity e ? Ny tranonkalam-pifandraisana no hanaovana ny serasera ofisialy, ary mbola fampahalalam-baovao mitsitapitapy. Firy amin’ny vahoaka no afaka misitraka izany ? Rehefa hanakatona ny Tiko AAA dia maika be mamoaka didy, ary mahay mifanampy tsara fa rehefa hiatrika pesta tsy afaka mifanohana mihitsy ve ?

MATY ERITRERITRA

Maty eritreritra ! Izay no hanasokajian’ny maro ity fanjakana ity sisa.  Sady tsy mihaino no manaotao foana. Efa ao anatin’ny fotoan-tsarotra sy tokony hampandeferana ny loko politika izao, kanefa raisina ho fahavalo hatrany izay miteny, ka tsy henoina. Sesilany ny soso-kevitra amin’ny tokony hamerana ao anatin’ny 3 na 4 andro ny fifamezivezena. Raha nihaino sy niasa ary niantso firaisankina ny fanjakana tsy ho toy izao mihitsy ny isan’ny olona maty sy voan’ny pesta, saingy niavon-tsy feno no tena natao. Toa mitombina ihany ny ahiahy amin’ny hoe tetika maloto natao hitadiavam-bola mihitsy ny tsy niraharahiana ny pesta hatrany am-piandohana. Raha ny tsikaritra mantsy dia arakaraky ny hitomboan’ny olona maty sy marary no mampitombo ny fanampiana na ara-bola na ara-pitaovana avy any ivelany. Mety ho tetika maloto hanemorana ny fifidianana koa izao. Izay ady amin’ny pesta any azo lalaovina sy atao miadana eo fa ny mahamaika izao dia ny hanova lalàmpanorenana hahafahana mifikitra amin’ny seza sy hisakana ireo kandida atahorana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT