Fahasalamana

Soroptimist Club Antananarivo Doyen Nizaha maimaimpoana ny aretin’ny fo


  • Alatsinainy 06 Febroary 2023

Betsaka ireo olona manana olana amin’ny fo eto amintsika. Ankoatra ireo olon-dehibe dia lasibatra ihany koa ny tanora noho adim-piainana iainana isan’andro izay miseho amin’ny endriny maro samihafa.

Saika tsy manana fahafahana ny handeha dokotera manokana misahana izany na cardiologue anefa ny ankamaroan’izy ireny noho ny halafosan’ny vola tsy maintsy aloha. Mila manomana 30.000 Ar mantsy raha kely ho an’ny fizaham-pahasalamana fotsiny ankoatra ny fanohizana ny fitsaboana. Mba hahafahana manampy ireny karazan’olona ireny indrindra dia nanatanteraka fizaham-pahasalamana maimaim-poana sy analizy tetsy amin’ny 67 ha misy ny foiben’ny fikambanam-behivavy Soroptimist International Club Antananarivo Doyen ny Tia Aina, notarihin’ny dokotera Feno Rabenirina manam-pahaizana manokana momba ny fo avy any amin’ny Nosy rahavavy La Réunion. Olona an-jatony no nahazo tombontsoa tamin’izany, fitsaboana nampiasana ireo fitaovana faran’izay raitra. Samy maniry ny hitohizan’ny hetsika ara-pahasalamana tahaka izao avokoa moa ny rehetra indrindra fa ireo sahirana ara-pivelomana izay marihina fa voatery manao dokotera tenany avokoa ny ankamaroany. Tsiahivina moa fa ankoatra ny tsy fahaizana mifehy ny fihetsem-po, ny nify goaka tsy voatsabo dia miteraka aretim-po ihany koa ny ranomaso iainan’ny Reny mitondra vohoka iray na ho azy izany na ho an’ilay menaky ny ainy.
Nangonin’i Pati
Legende : Marobe tahaka izao ireo olona tonga tetsy amin’ny 67 ha tamin’ny sabotsy teo.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT