SOAVINANDRIANA

Toeram-pivarotana iray tratra nivarotra fanafody fanabeazana aizana


  • Talata 03 Septambra 2024

Toeram-pivarotana iray no tratra nivarotra ireny karazam-panafody fampiasan’ny vehivavy

manao fandrindram-piainam-pianakaviana ireny tany Soavinandriana Faritra Itasy ny faran’ny herinandro teo. Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tany an-toerana no nahafantarana izany. Nambaran’ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka nandritra izany ary fa tsy hanaiky lembenana intsony ny amin’ny hafitsok’ireo mpivarotra minia manararaotra ny fahasahiranan’ny vahoaka tahaka izao izy ireo. Tsy hamidy ny fanafody fandrindram-piainam-pianakaviana ho an’ny vehivavy raha ny nambarany fa maimaim-poana ary eny amin’ny tobim-pahasalamana irery ihany no hakana izany. Mitohy ny fanaraha-maso sy ny fidinana ifotony tampoka hataon’izy ireo noho izany koa miala tsiny sahady amin’izay mety ho tratra ny tenany. Tsiahivina moa fa any amin’ireo kaominina ambanivohitra sy saro-dalana matetika no tena ahitana tranga tahaka izany.
Pati
Legende : Tsy amidy itony fa omena maimaimpoana ireo vehivavy tonga manatona tobim-pitsaboana 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT