Fahasalamana

Soavinandriana Mitsabo ireo ankizy marary fo ny hopialy miaramila


  • Zoma 01 Aprily 2022

Mitsabo ireo ankizy marary fo ny Hopitaly Miaramila Soavinandrina. Efa vita eto amintsika ny fandidina ny fo na « chirurgie à cœur ouvert » araka izany.

Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny CENHOSOA sy ny fikambanana "La Chaine de l'Espoir" ary indrindra ny fanampian'ny fitondram-panjakana Malagasy no nahafahana nanatontosa izany sy namatsy ireo fitaovana. Notanterahina omaly ny fandraisana ara-teknika ny trano fandidiana ny fo manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ho an’ireo zaza mitsabo tena eo anivon’ny CENHOSOA ka marary fo .Nanome ninahitra ny fotoana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena izay nisaotra manokana ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny fahavitan'izao tetik'asa goavana izay hanamaivana fahasahiranana ireo fianakaviana mila izany. Marihina moa fa betsaka ireo ankizy marary fo eto amintsika. Mety ho vokatry ny toe-pahasalaman’ilay Reniny hatrany am-bohoka no mahatonga izany nefa mety ho zavatra hafa ihany koa.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT