Fahasalamana

Setro-tsigara Ny manodidina ilay mpifoka no tena voa mafy


  • Alarobia 31 Mey 2017

Maro ireo olona mpifoka sigara amin’ny ankapobeny. Mahatratra 6 tapitrisa isan-taona, mantsy maneran-tany, ireo olona voasarika hifoka izany. Folo taona no kely indrindra amin’izany, amin’ny ankapobeny, raha mihoatra ny 70 taona no zokiny indrindra.

 

 Eo an-danin’izay anefa dia mahatratra 600.000 ihany koa ireo olona mitondra faisana vokatry ny setroka sigara aparitak’izy ireny, izay miteraka aretin’ny taovam-pisefoana, ohatra, indrindra eo amin’ireo voasokajy ho marefo. Ny 25 %-n’ny setroka sigara fohan’ny olona iray ihany mantsy no mankany aminy, araka ny fanadihadiana natao, fa ny 75% dia miparitaka manerana ireo olona manodidina azy avokoa. Ankalazaina anio alarobia 31 mey ny andro  maneran-tany iadiana amin’ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky. Hetsika goavam-be no entina hanamarihana izany, ho antsika eto an-drenivohitra hiarahana amin’ny sampandraharaha misahana izany sy ny ONG SAHA. Hisy ny fanentanana maro samihafa atao amin’ny sarababem-bahoaka, arahin’ny fampahafantarana ilay làlana efa nisy hatramin’izay, fa tsy azo atao mihitsy ny mifoka sigara amin’ny toerana mihiboka. Lohahevitra ampitondra ny hetsika moa ny hoe : “Sakana amin’ny fampandrosoana ny rehetra ny fifohana sigara”.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT