Nampatsiahy tamin’ny alalan’ny naoty mitondra ny datin’ny 30 oktobra 2017 ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka fa voarara ny fanaovana dokambarotra ho an’ireo manao ny fitsaboana nentin-drazana,
ny toerana manamboatra sy mivarotra fanafody momba ny fitsaboana nentin-drazana sy ny endri-pitsaboana hafa tsy manaraka ny fomba nentim-paharazana Malagasy. Tsy azo atao, hoy ity fanambarana fampatsiahivana ity ny dokambarotra izay tsy ahitana taratra ny fanabeazana ara-pahasalamana ho an’ny olona fa manao fotsiny izay hampalazana tena sy hivarotana, na koa mba hambaboana ny fon’ny olona fotsiny ka mahatonga azy hiverimberina ao amin’ilay mpitsabo na toeram-pitsaboana milaza fa mampiasa ny fomba sy fanafody nentim-paharazana.Tsy azo ekena ary tena voarara torak’izany ny dokambarotra mampiesona, tsy misy porofo ara-tsiantifika momba ireo fanafody amidy. Tsikaritra tokoa fa maniry ohatry ny anana araka ny fomba fiteny ireo olona milaza fa mahay mitsabo ary manome sy mivarotra fanafody, misy ihany koa ny milaza fa mampiasa hery miafina hitsaboana olona. Ao ny milaza fa miresaka amin’ny vazimba sy ny zazavavindrano ka mahasitrana ny aretina rehetra. Misy ny olona roboka manatona ireny mpitsabo hafa kely ireny, ary maro no mitaraina fa voafitaka. Tafiditra ao anatin’ny fanadiovana ny sehatry ny fitsaboana ny fahitana ity fepetra noraisin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ity, satria tena nisy ny tranga hafahafa tamin’ny fisian’ny valanaretina pesta. Tsy nandeha tany amin’ny hopitaly sy ny dokotera ireo olona fa nanatona dadarabe sy mpitsabo nentim-paharazana. Maty avy eo ilay marary vao nidodododo teny amin’ny hopitaly. Ny lalàna 2007-805 tamin’ny 21 aogositra 2007 moa no manaiky ny fitsaboana nentin-drazana eto Madagasikara, ary misy ihany koa ny didim-panjakana 2003-1097 tamin’ny 25 novambra 2003 mahakasika ny fandaminana ny famarotana zavamaniry atao fanafody, fanamboarana sy famarotana fanafody avy amin’ny zavamaniry. Misy ny departemanta manokana eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka manara-maso io sehatry ny fitsaboana nentin-drazana mampiasa ny zavamaniry io, ary misy ny fepetra tsy maintsy arahana fa tsy hoe samy afaka manao izay tiany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.