Fahasalamana

Sendikan’ny Paramed Hanao service minimum amin’ny 24 desambra


  • Alatsinainy 21 Desambra 2020

Taom-piafiana mafy ho an’ny sendikan’ny Paramed ity taona 2020 ity raha araka ny fanazavan’ny filohany Ralibera Jerisoa.

 

 

 

Sady tsy nahavita ny asa sendikaliny mantsy izy ireo no tsy nahavita ny zaikabe nasionaliny ihany koa izay tokony notanterahina tany Morondava. Saika niompana tamin’ny fikarakarana ny fahasalamam-bahoaka noho ny fiparitahan’ny valan’aretina COVID 19 no nandany ny fotoanan’izy ireo hoy hatrany ity filohany ity nefa na ny zony aza tsy voalohan’ny fanjakana. Hatreto mantsy dia mbola mahatratra 228 andro ny indemnité de réquisition tsy nalohan’ny fanjakana tamin’izy ireo nefa efa madiva hivalona indray ity ny taona 2020 ity. Nanomboka ny 23 martsa lasa teo ka hatramin’ny 03 novambra lasa teo no nitrangan’izany. Mba ho fitakian’izy ireo ny zony ary dia hanatanteraka ilay journée morte izy ireo ny datin’ny 24 desambra ho avy izao. Service minimum no hisy any amin’ireo hopitaly izay toeram-piasan’izy ireo manerana ny Nosy koa hanaovany antso avo amin’ny Ministera. Mifanandrify indrindra amin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely moa ity hetsika tanterahin’ny sendikan’ny paramed ity no sady mety hahabetsaka ireo olona mila mpitsabo mpanampy eny anivon’ny hopitaly. Tsy fanahiniana anefa izany hoy hatrany ny filohan’ny sendikany fa amin’io fotoana io vao azo tanterahina ny hetsika 48 ora aorian’ny nametrahana ny taratasy fangatahana ilaina mifandraika amin’izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpitsabo nentim-paharazana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

«Mitaraina ho tian’ny olafitry

  • TONGA HATRANY
  • Talata 28 Aprily 2026

MAHAJANGA NY AMBALAVELONA

  • Dokotera mpitsabo biby
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Tena antoky ny fanajarian-tsakafo sy ny fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT