Fahasalamana

Sendikan'ny dokotera mpiasam-panjakana "Tsy afaka hanao sorona ny ainay izahay"


  • Alatsinainy 25 Mey 2020

Naneho fiondrehana ny fiombonan’alahelo tamin'ny fahafatesan'i Dr Daniel, Lehiben'ny Tobim-pahasalamana Fototra an-drenivohitra ao Toamasina omaly tao amin'ny Hopitaly Morafeno Toamasina ny Sendikan'ny Dokotera Mpiasam-panjakana (SMédFM).

 

 

 

 Manao antso avo ny Sendika sy ny mpikambana manerana an'i Madagasikara mba hiarovana toy ny anakandriamaso ny ain'ny Dokotera Mpitsabo satria mety hitarika ny fihenan'ny risim-po anana'izy ireo ny tsy fiarovana azy eo ampanatanterahana ny asany. Asantsika sy adidintsika ny mitsabo sy miaro ny aram-pahasalamana saingy tsy azontsika atao ihany koa ny manao sorona ny aintsika satria isika no andry iankinana sy tandroka aron'ny vozona amin'ny lafiny fahasalamana, hoy ny fanambarana nosoniavin’ny Filoha Nasionalin’ny SMédFM mpisolo toerana Dr Ranaivoson Abel. Koa raha misy ny tsy fahatomombanana ara-teknika sy araka ny fenitra misy dia tsy tokony hiasa anatin'ny loza mitatao na ny tandindon-doza isika mpitsabo manoloana ny zava-misy atrehina, hoy ny toromarika. Nambara fa fotoana hitakin’izy ireo sy hanehoany, fa asa satrotra sy masina ka mila fitandremana sy fanohanana ara-pitaovana, ara-pahalalana, tohana sy tan-tsoroka mba tsy ho lasa an-kilabao ny Dokotera sy ny fahasalaman'ny vahoaka Malagasy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT