Fahasalamana

Sekoly Katolika Tsy manaiky ny fandaminan’ny fanjakana


  • Alatsinainy 23 Oktobra 2017

Niteraka adihevitra be tetsy sy teroa ny fanampahan-kevitry ny DIDEC (DIrection Diocesaire de l'Enseignement Catholique)

nivory ny sabotsy teo ary nanambara fa hiverina hianatra ireo sekoly katolika ato anatin’ny Diosezin’Antananarivo naato tahaka ny sekoly hafa rehetra amin’ny toerana misy ny valanaretina pesta. Na ireo ray aman-drenin’ny mpianatra amin’io sekoly io aza dia maro no velon’ahiahy. Iaraha-mahita fa tena mbola sarotra ny mifehy ny fiparitahan’ny aretina pesta.

Tsy mbola voafehy

Ny zoma 20 oktobra teo dia nilaza mazava ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena fa ny alatsinainy 6 novambra vao tokony hiverina an-tsekoly ireo mpianatra naato. Nanamafy ny minisitra Paul Rabary fa nandray fanapahan-kevitra an-kalalahana ny sekoly katolika. Tsy maintsy mitandrina sy mailo ny fitondram-panjakana, hoy izy. Manahirana sady mampalahelo raha any an-tsekoly no hahazoan’ny mpianatra pesta, anton’ilay tsy fianarana herinandro indray aloha. Nanamafy an’io tamina fanambarana ofisialy ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika ny sabotsy 21 oktobra teo ka nanamarika fa na dia maro aza no efa sitrana dia mbola misy ihany koa ny tranga pesta hita etsy sy eroa, ary tsy azo atao ny milaza avy hatrany fa efa voafehy izy io. Noho izany, mila malina ka dia miato avokoa aloha ny fampianarana eny amin’ny oniversite. Ny faran’ny herinandro teo dia mbola nanizingizina ny Dr Ibrahima Socé Fall talem-paritry ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny fahasalamana aty Afrika  fa ao anatin’ny fotoana mbola tena mampatanjaka ny otrikaretin’ny pesta ny eto Madagasikara ka laharampahamehan’ny ekipan’ny OMS sy ny mpiara-miasa aminy aloha izao ny fanakanana ny fiparitahan’io aretina io. Ny governemanta Britanika dia mampitandrina ny olony manana eritreritra ny hizahatany fa misy pesta eto Madagasikara ary efa maherin’ny 100 ankehitriny no maty, araka ny tatitra nataon’ny gazety mpiseho isan’andro “The Sun”. Izay no zava-misy kanefa dia nanapa-kevitra ihany noho ny antony miankina amin-dry zareo manokana ny mpitantana ny sekoly katolika fa miverina mianatra manomboka amin’ny alarobia izao. Mazava ny resaka eto fa dia tsy manaiky ny fandaminana avy amin’ny fitondram-panjakana ny sekoly katolika. Tsy nisy koa hatreto ny fampitandremana na sazy avy amin’ny fitondram-panjakana fa dia toa mamela malalaka ny sekoly hiverina hianatra ny fanjakana na tsy azo antoka aza fa voafehy ny pesta ary tsy misy afaka manome toky fa tsy hisy fifindrana aretina mihitsy any an-tsekoly. Mety ho avy koa ny fivorian’ireo fikambanan’ny sekoly tsy miankina dia hanambara fa hiverina hianatra koa ry zareo. Mazava ho azy fa tsy afaka hanakana ny fitondram-panjakana satria efa nilefitra. Ny ankizy Malagasy ana hetsiny izany no hifamoivoy etsy sy eroa ka mety ho voan’ny pesta amin’ny fotoana rehetra. Antananarivo sy Toamasina moa no tena ahitana trangana pesta maro indrindra ary anisan’ny faritra be mpianatra koa.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT