Fahasalamana

Sekoly Jery an’ny FSM Tsy afaka miditra an-dakilasy ireo mpianatra hanala CEPE


  • Zoma 08 Mey 2020

Mamerina ny fitakiany ny handraisan’ny fanjakana andrikitra mazava mikasika ny raharaha ifanolanany amin’ireo andian’olona mpisintaka taminy ny FSM “Fikambanan’ny Silamo Malagasy”

 

, hisorohana ny korontana ara-piarahamonina mety hitranga. Tsy afaka niditra an-dakilasy mantsy, hatramin’izao, ny mpanala fanadinana CEPE ao amin’ny sekoly « Jery » izay natsangan’ny fikambanana ao amin’ny 67Ha, noho ny fisakanan’ireo mpisintaka ireo. Nanakaramany tovolahy besandry maromaro miandry ny toerana, ankehitriny, rehefa nesoriny ny andohalambo nirakitra ny anaran’ny sekoly izay lazain’ny mpitarika azy ireo fa efa novainy anarana ho sekoly « Ah-Rahman ». Nitsangana hitaky ny zon’ireo ankizy ireo hianatra ny mpanabe sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra mbamin’ireo mpiara-monina manodidina niaraka tamin’ny vadintany nefa notsenain’ireo mpibodo toerana tamina herisetra, ny fiandohan’ny herinandro teo. Resy tamin’ireo ady rehetra nifanaovana taminy teny amin’ny fitsarana ireto mpisintaka mbola misoloky ny anaran’ny fikambanana ireto nefa tsy maty manota hatrany amin’ny fanitsakitsahana ny didim-pitsarana noho ny fifandraisan’ny mpitarika azy amin’olona ambony maro sy ny fampiasana kolikoly mbamin’ny antontan-taratasy hosoka. Mihahenjana ny fifanoherana ankehitriny sady mitombo fahasahiana hatrany ireo mpisintaka ka anairan’ny FSM ny tomponandraiki-panjakana mba hitandroana ny filaminana eto amin’ny firenena.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT